• Kalo sy Hira

    ◊ }|{¯¯¯¯¯}|{¯¯¯¯¯}|{¯¯¯¯¯}|{¯¯¯¯¯}|{¯¯¯¯¯}|{¯¯¯¯¯}|{¯¯¯¯¯}|{¯¯¯¯¯}|{ ◊

     

    ◊ }|{_____}|{_____}|{_____}|{_____}|{_____}|{_____}|{_____}|{_____}|{ ◊

    (¯`´(¯`´.¸_________________ ¸.´´¯)´´¯)
    ▓▒░  Voasary lalao ░▒▓
    (_¸.(_¸.´´ ¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯¯ `´.¸_).¸_)

    un clown jongleur

    --(♫*`¯`*♫.`).(`.♫*`¯`*♫)--
    (.♫`(`.♫.`).♫)
    ("*")

    Lyrics

    Handao anao ny tenako
    Kanefa kosa ny saiko
    Any aminao

    Ny tany ilay fonenako
    Niarahana, ry aiko
    Raha jerena maloka ila

    Satria

    Ny tafa nifanaovana
    Ny saha nilalaovana
    Voasary lalao

    Tanisa itsan-droa
    Fangalapiery
    Mamisavisa fon'olon-drery
    Raboka, tsongotsongo, ady kely
    Tandidon'ny fitia mieriery

    Raha sendra mamololona
    Ny tsiahy zary tolona
    Ao antsainao

    Dia ankipio ny masonao
    Ka vangio an'eritreritra
    'lay fahazaza

    Satria

    Ny tafa nifanaovana
    Ny saha nilalaovana
    Voasary lalao

    Tanisa itsan-droa
    Fangalapiery
    Mamisavisa fon'olon-drery
    Raboka, tsongotsongo, ady kely
    Tandidon'ny fitia mieriery


    ("*")
    (.♫`(`.♫.`).♫)
    --(♫*`¯`*♫.`).(`.♫*`¯`*♫)--

     

    CE BLOG EST EN COURS DE CRÉATION.